Sunday, December 18, 2011

Mahagaga ny Norvezianina.


ITY MANTSY MBA ATOKAKO MANOKANA AN'NY MALAGASY TSY MIVAKIVOLO.

       Aty Norivezy aho no manoratra izao aingam-panahy izay entiko hanehoana ny fianako tsotsotra aty. Efa naniry ny hiaina ivelan'i Madagasikara ihany aho tany aloha, ka tanteraka izy izao. Mpianatra ao amin'ny "Hald internasjonale center" à Mandal aho amin'ity taona 2012 ity. Eto Avaldsnes (Karmøy) aho izao manao ny fampiarana izay efa nianarana tany Hald mandritra ny enim-bolana. Mahavariana tokoa ny miaina amin'ny firenena hafa indraindra firenena efa mandroso toy an'i Norvezy itony. Maro ny zavatra tsy nihitako tany aloha nefa hitako eto Norvezy, ny fahasambiafana moa efa tsy tenenina intsony.
Aty Norivezy no nahitako ny hoe rano-mandry izany. Mangatsiaka de mangatsiaka ny aty rehefa ririnina. Indray indray dia malama ny lalana rehefa mitsonika tsikelikely ny rano-mandry.
Raha ny fiainako manokana moa de mandeha araka ny tokony ho izy eny ihany.
Ny zavatra rehetra de voavoatra araka ny tokony hilana azy avy koa, izany anga no anisan'ny marika ny maha firenena mandroso ity Norivezy ity.
Ohatra amin'izany:

Ny fiadin'ny Norivezianina amin'ny hatsiaka
just the weather only which is cold not you.
Ny akanjo sy fitafy maro samy hafa de tena miaro anao tokoa amin'ny hatsiaka. Ny tranon-drizareo misy masinina mampafana na toeranan'afo azy avy koa. Na ny fiara aza de misy mpampafana azy avy koa. rehefa tonga ny ririnina de lasa ny Norvezianina amin'ny hoe "skiing". Satrin'izy ireo mantsy ny mba miala voly eny amin'ny tendrombohitra akaikaiky kokoa mba handehanana eny amin'ny ronomandry na lanezy. Mangatsiaka tokoa amin'izany nefa vory fitaovana ry zareo; ny kiraro, ny pataloha sy ny kapotra ary ny satroba.
kiraro voatokana amin'ny lanezy












Ny rano izay ampiasain-drizareo de misy mafana sy mangatsiaka avy eo amin'ny robonen-drano. 
gå på ski

kapotram-bazaha
Ny fampiasana ny masinina
Anisan'ny azo lazaina hoe miatehitra amin'ny fampiasana masinina ny Norvezianina. Tsy manasa lamba amin-tanana ry zareo fa masinina voavoatra amin'ny fanosorana vovon-javony sy fanakobanana lamba. Eny aza na hatramin'ny fitsinjovana ny lambanao mba haharitra de azo atao avy koa, ny faharetan'ny ora  fanasana de safidinao araka ny hamaron'ny lambanao. Ny fanasana kojakoja ao an-dakozina ihany koa de masinina avy koa ny ampiasaina. Fanampahana azo na ahitra de masinina avy koa. De hoy aho hoe de tsy mba hampiasa hery ve ireto vazaha fotsy hoditra ireto? Fa ny mahagaga de mantanjaka ry zareo tsy arakaraka ny hoe fianteherany amin'ny masinina. Izany de nohon'ny sakafo ampy sy aram-pahasalamana izay ananany. Eo koa ny fanatanjahan-tena izay ataony sy ny hetsika ivelan'ny asa atao ohatra rehefa mba hiala voly ry zareo de mandeha minjangatsangana mananim-bohitra.

Tekinonozia sy ny ponina
Ity no tsikera tena mampiavaka ny ponina mandroso sy ny mbola mahatra. Ny aty Norvezy toa tsapa fa tsy misy intsony ny fotoana hiresahana amin'ny namana na mpifanolo-bodirindrina, ny mpiray fianakaviana aza raha tsy hoe misy fotoaha nifanaovana mba ifampitafatafana kely. Tsy noho ny inona anefa fa noho ny "internet". Ny ray amandreny rehefa avy tany ampiasana de mikarakara sakafo na mba mamakivaky gazety na eo amin'ny solontsaina eo. Ny ankizy sy ny tanora moa de variana amin'ny kilalao maro samy hafa amin'ny solontsaina na "ipad" na "iphone". Ny teo-trandro aty ihany koa de manampidrotraka ny tsi-firesahana amin'olona betsaka loatra. Samy mahavita tena ny tsirairay. Hita izany eo amin'ny fiarahana amin'ny taxi-be ("bus"), mipetraka an-tsitokotoko rizareo de samy mangina.




Sakafo sy ny vazaha
io no fianakaviana misy ahy
Hafa ihany ny sakafom-bazaha ampy sy ara mpahasalamana na de mofo isanandro izao aza. Raha zatra izany ianao de tsara ny sakafo. Fa ny mahagaga ahy de tsy lavitra mihintsy any vazaha ireo  ny sakafo. Raha ao an-trano de vonona ny mofo sy ny fangarony miandry ho raisina fotsiny. Ny voan-kajo koa de toraky izany. Raha misy fivoriana de mazana misy sakafo fona aroso na akizy na tanora na olon-dehibe izany. Hita ihany koa izany any am-piangonana, ny hoe "kirke kaffe" izany hoe kafem-piangonana. Izany angambany no tena mampitombo itony Norivezianina itony hoy aho. Satria tsy te hino aho indraindray raha mahita ny Norwezianina toa efa eo ho eo amin'ny 28 taona raha amin'ny Malagasy nefa mbola hoe 16-18 taona ihany. Fa izay zaho ity izay 23 taona izao de mitovy amin'ireo 16 taona ny Norvezianina ireo.

Velkommen til Norge.

MISAOTRE!







No comments:

Post a Comment