ITY MANTSY MBA ATOKAKO MANOKANA AN'NY MALAGASY TSY MIVAKIVOLO.
Aty Norivezy aho no manoratra izao aingam-panahy izay entiko hanehoana ny fianako tsotsotra aty. Efa naniry ny hiaina ivelan'i Madagasikara ihany aho tany aloha, ka tanteraka izy izao. Mpianatra ao amin'ny "Hald internasjonale center" à Mandal aho amin'ity taona 2012 ity. Eto Avaldsnes (Karmøy) aho izao manao ny fampiarana izay efa nianarana tany Hald mandritra ny enim-bolana. Mahavariana tokoa ny miaina amin'ny firenena hafa indraindra firenena efa mandroso toy an'i Norvezy itony. Maro ny zavatra tsy nihitako tany aloha nefa hitako eto Norvezy, ny fahasambiafana moa efa tsy tenenina intsony.
Aty Norivezy no nahitako ny hoe rano-mandry izany. Mangatsiaka de mangatsiaka ny aty rehefa ririnina. Indray indray dia malama ny lalana rehefa mitsonika tsikelikely ny rano-mandry.
Raha ny fiainako manokana moa de mandeha araka ny tokony ho izy eny ihany.
Ny zavatra rehetra de voavoatra araka ny tokony hilana azy avy koa, izany anga no anisan'ny marika ny maha firenena mandroso ity Norivezy ity.
Ohatra amin'izany:
Ny fiadin'ny Norivezianina amin'ny hatsiaka
Raha ny fiainako manokana moa de mandeha araka ny tokony ho izy eny ihany.
Ny zavatra rehetra de voavoatra araka ny tokony hilana azy avy koa, izany anga no anisan'ny marika ny maha firenena mandroso ity Norivezy ity.
Ohatra amin'izany:
Ny fiadin'ny Norivezianina amin'ny hatsiaka
just the weather only which is cold not you. |
kiraro voatokana amin'ny lanezy |
Ny rano izay ampiasain-drizareo de misy mafana sy mangatsiaka avy eo amin'ny robonen-drano.
gå på ski |
kapotram-bazaha |
Anisan'ny azo lazaina hoe miatehitra amin'ny fampiasana masinina ny Norvezianina. Tsy manasa lamba amin-tanana ry zareo fa masinina voavoatra amin'ny fanosorana vovon-javony sy fanakobanana lamba. Eny aza na hatramin'ny fitsinjovana ny lambanao mba haharitra de azo atao avy koa, ny faharetan'ny ora fanasana de safidinao araka ny hamaron'ny lambanao. Ny fanasana kojakoja ao an-dakozina ihany koa de masinina avy koa ny ampiasaina. Fanampahana azo na ahitra de masinina avy koa. De hoy aho hoe de tsy mba hampiasa hery ve ireto vazaha fotsy hoditra ireto? Fa ny mahagaga de mantanjaka ry zareo tsy arakaraka ny hoe fianteherany amin'ny masinina. Izany de nohon'ny sakafo ampy sy aram-pahasalamana izay ananany. Eo koa ny fanatanjahan-tena izay ataony sy ny hetsika ivelan'ny asa atao ohatra rehefa mba hiala voly ry zareo de mandeha minjangatsangana mananim-bohitra.
Tekinonozia sy ny ponina
Ity no tsikera tena mampiavaka ny ponina mandroso sy ny mbola mahatra. Ny aty Norvezy toa tsapa fa tsy misy intsony ny fotoana hiresahana amin'ny namana na mpifanolo-bodirindrina, ny mpiray fianakaviana aza raha tsy hoe misy fotoaha nifanaovana mba ifampitafatafana kely. Tsy noho ny inona anefa fa noho ny "internet". Ny ray amandreny rehefa avy tany ampiasana de mikarakara sakafo na mba mamakivaky gazety na eo amin'ny solontsaina eo. Ny ankizy sy ny tanora moa de variana amin'ny kilalao maro samy hafa amin'ny solontsaina na "ipad" na "iphone". Ny teo-trandro aty ihany koa de manampidrotraka ny tsi-firesahana amin'olona betsaka loatra. Samy mahavita tena ny tsirairay. Hita izany eo amin'ny fiarahana amin'ny taxi-be ("bus"), mipetraka an-tsitokotoko rizareo de samy mangina.
Sakafo sy ny vazaha
io no fianakaviana misy ahy |
Velkommen til Norge. |
MISAOTRE!